SocialTsidika

Famolavolana drafitr’asa ho an’ny fahasalamana tany Ampefy

Zava-dehibe ny fahasalamana, ny fananana vahoaka salama no tena antoky ny fampandrosoana. Rehefa salama ny vatana, salama ny saina dia mora ho azy ny fidirana any amin’ny famapndrosoana.

Isan’ny laharam-pahamehana ho an’ny fitondram-panjakana araka izany ny fanatanterahana ny velirano fahadimy izay hanomezana fahasalamana ho an’ny rehetra tsy anavahana sokajin-taona. Hita amin’ireny toeram-pitsaboana nantsangana ireny izany izay tarihann’ny Minsiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Nisy ny famolavolana ny drafitr’asa ho an’ny fahasalamana tany Ampefy ny 21, 22 ary 23 jona lasa teo.

Tanjona tamin’izany ny mba hitondrana fanatsarana ny fahasalamam-bahoaka. Niara-namolavola izany ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny fandaharan’asa USAID’s ACCESS Health Program mba hahafahan’ny vahoaka Malagasy misitraka tolotra ara-pahasalamana tsara kalitao. « Ny fahasalamako no hahafahako manatanteraka ny asako mba hananako vola bebe kokoa » hoy ny mpamily iray raha nanontaniana ny maha zava-dehibe ny fahasalamana.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire