Ambohimanambola : Nankahery ireo ray aman-dreny, mpampianatra, mpianatra amin’izao fidiran’ny mpianatra izao ny kaominina
Saika niditra nanomboka omaly 05 Septambra avoka ny sekoly rehetra ho an’ny fanombohana ity taom-pianarana vaovao 2022-2023 ity. Nitondra fankaherezana mahakasika izany manokana ny tao amin’ny kaominina Ambohimanambola.
« Ny teny filamatra dia ny hoe “fianarana, fahombiazana, fandroasoana”. Izany dia miainga avy amin’ny fahazoatoana sy fahavitrihana avy amin’ireo ray amandreny, zanaka mpianatra, ary ny mpampianatra. Ary izay moa no anisan’ny hirarianay eto amin’ny kaominina amin’izao fiandohan’ny taom-pianarana izao satria rehareahan’ny kaominina ihany koa izany » hoy ny tompon’andraikitra ao amin’ny kaominina. « Tahaka ny fanao isan-taona dia misy hatrany ny fandaminana eo amin’ny fandraisana mpianatra amin’izao fiandohany izao satria maro be ireo mpianatra ka tsy maintsy misy ny fitsinjarana sy toro-lalana omena ireo mpianatra, indridra fa ireo vaovao mila omena toro-lalana manokana » hoy ny tompon’andraikitra teo anivon’ny sekoly iray.
Hizara roa volana dimy ny taom-pianarana amin’ity taona ity ka ny fitsaharana voalohany dia ny herinandron’ny 29 oktobra ka hatramin’ny 06 novambra, izay hanaovana fialantsasatra amin’ny fetin’ny maty.
Manitra Ramanantsoa
