Kianja barikadimy Toamasina: nahitana fahasimbana sahady
Dépêche 06 septembre, 17h00, Vao tsy ela akory izay no vita ny kianja ao Barikadimy Toamasina ary indrindra natao manara-penitra izany hahafahana mandray lalao iraisam-pirenena. Ny fampianarana fahalalam-pomba sy fahaiza-miaina mahakasika ny fanana iombonana tahaka itony no mila ampiana ankehitriny satria dia simba sahady ilay izy noho ny fanomanana ny hetsika izay karakarain’ny fiangonana iray any an-toerana.
