Fitsarana miaramila: Hiverina indray ho an’ny Antananarivo
Dépêche 14 juin, 12h, Noho ny fangatahan’ny maro sy ireo izay mbola tsy nahavita ny fitsarana miaramila dia hiverina indray izany ho an’ny eto Antananarivo Renivohitra. Hotanterahina ao amin’ny Saha Maitso Betongolo (Espace Vert) ampitan’ny Cercle Mess Betongolo izany ny 17 hatramin’ny 21 jona izao. Toy ny mahazatra dia karampanondrom-pirenena hatrany no entina eny an-toerana miaraka amin’ny penina manga. Ny tanora lahy sy vavy 19 hatramin’ny 31 taona no antsoina hanatanteraka izany fitsarana miaramila izany.
