Harena an-kibon’ny tany : Mandray anjara amin’ny fihaonana an-tampony mahakasika ny ITIE i Madagsikara
Dépêche 14 juin, 11h, Manana solontena any Dakar I Madagasiakra izay mandray anjara amin’ny fihaonana an-tampony mahakasika ny Transparence des Industries Extractives (ITIE). Andiany faha-sivy ity tanterahina ity izay hatao ao amin’ny Centre International de Conférences Abdou Diouf (CICAD), Dakar – Sénégal. Ny Minisitry ny Harena an-kibon’ny tany no mitarika ny delegasiona Malagasy amin’izany fivoriana izany. Mihodina manodidina ny “fangaraharana amin’ny fotoan’ny fiovam-pitantanana” ny ady hevitra sy ny fihaonana. Maherin’ny 1000 ny mpandray anjara amin’ity fihaonana ity.
