Vidim-piainana : Nihaona tamin’ny minisitry ny Minisitry ny Varotra sy fampiroboroboana ny Indostria ireo mpivarotra
05 Aprily, 09h30. Nihaona tamin’ny Minisitra Edgard Razafindravahy ireo mpaninjara sy ireo lehiben’ny tsena omaly folakandro raha ny mpamongady no nihaona taminy ny maraina. Tafiditra tamin’ny dinika mialohan’ny famoahana ny famerana ny vidin’entana ambony indrindra sy ny tombony azon’ny mpivarotra alaina izany. Manan-kery ao anatin’ny telo volana ny fepetra famerana izany vidin’entana izany ary azo havaozina indray amin’ny telo volana manaraka araka ny fivoaran’ny toe-java misy eto amin’ny firenena. Nampitandrina ireo mpandraharaha rehetra voakasika ny Minisitera fa tsy hilefitra intsony raha toa ka misy tsy fanarahana sy tsy fanajana ny famerana hapetraka. Hiroso amin’ny fampiharana ny lalàna voalaza ao amin’ny andininy faha-55 sy faha-62 izy ireo raha misy tsy fanajana io famerana nifanarahana io.
