Dépêches

InfoComSeg: Karohina i Marc Tatandraza

17 Jona, 14h00. Feno ny fepetra hisamborana an’i Marc Tatandraza noho ireo heloka maro sosona nataony tao anatin’ilay horonan-tsary naparitany 2 andro lasa izay. Karohina araka izany izy ka raha manam-baovao mahakasika azy isika dia mandefasa hafatra miafina na someso na mampandre ny mpitandro filaminana izay akaiky antsika indrindra. Hivoaka etoana ihany ny Filazana fikarohana azy amin’ny fomba ofisialy. Atao tsiambaratelo sy arovana ny mahakasika ny loharanom-baovao.

Laisser un commentaire