ActualitésTsidika

Alasora: Tontosa ny didimpoitra faobe

Tontosa soa aman-tsara ny didimpoitra faobe, izay notanterahina nandritra ny hateloana, tao amin’ny kaominina Alasora. Sady volana natokana ho an’ny ankizy no ao anatin’ny vanimpotoanan’ny hatsiaka tokoa isika amin’izany.

« Entina hanamaivanana ny fahasahiranan’ny ray aman-dreny manoloana ny fiakaran’ny vidim-piainana ity didimpoitra faobe ity. Efa fanao isan-taona rahateo izany ao anatin’ny vanimpotoan’ny ririnina » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Alasora. « Tena isaorana indrindra ny kaominina tamin’izao didimpoitra faobe izao. Efa manahirana mantsy ny fiainana. Tsy vita intsony izany hanakarama mpitsbo manokana izany » hoy i Hery, raim-pianakaviana monina ao Alasora.

Tsy vitsy tokoa ireo nifanome tanana tamin’ity tetik’asa ity mba hanampiana ny mponina. Manampy mivantana ny mponina tokoa ny fisian’izao hetsika ara-pahasalamana izao.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire