SocialTsidika

Handray anjara amin’ny fiadiana ny tompon-daka eran-tany amin’ny judo I Madagasikara

Hatreto aloha, na dia efa maromaro aza ireo hetsika ara-panatanjahantena nandraisan’i Madagasikara anjara, teo amin’ny taranja tsipy kanetibe ihany isika no tampon-daka eran-tany. Ny 20 hatramin’ny 23 izao no hiatrika ny fiadiana ny tompon-dakan’i Afrika any Dakar ireo mpanao judo miisa dimy: Mireille Andriamifehy, Narindra Rakotovao, Aina Laura Rasoanaivo Razafy, Daniella Nomenjanahary ary Fetra Ratsimiziva. Ireo telo farany ireo kosa no hiatrika ny fiadina ny tompon-daka eran-tany amin’io taranja judo io any Budapest ny 6 hatramin’ny 13 jona ho avy izao. Mandritra ny fifaninana any Dakar, Senegal, io ihany koa, tsy maintsy manatrika any ny delegasionin’ireo atleta Malagasy sy ny filohan’ny federasionina Judo eto Madagasikara ary ny filohan’ny “Comité Olympique de Madagascar”, Siteny Randrianasoloniaiko. Ity solombavambahoaka voafidy tao Toliara ity izay iray amin’ireo hilatsaka ho filohan’ny UAJ na Union Africaine du Judo ka amin’io fotoana io no hanatanterahana ny fifidianana.

Ally Herisoananahary

Laisser un commentaire