SocialTsidika

Hiroso amin’ny fandraisana mpiasam-panjakana misahana ny fanabeazana, fahasalamana, filaminana

Natao tamin’ny alalan’ny visioconférence ny filan-kevitry ny Ministra ny 12 may lasa, izay notarihin’ny filoha Andry Rajoelina. Tapaka nandritra izany ary fa hanatanteraka fandraisana mpiasam-panjakana misahana ny fanabeazana, fahasalamana, filaminana mba hanatsarana ireo sehatra telo ireo izay tena ilaina amin’izao fotoana. Ireo izay manaraka ny fifanarahana ara-kasa manokana no ho raisina amin’izany araka ny toromariky ny Filoham-pirenena. Io fifanarahana ara-kasa io izay hamaritra ny asa andrasana aminy, ny tamberin’andraikitra ankinina aminy, ny toerana sy fe-potoana ahafahany miasa ary indrindra ireo sazy miandry azy raha mandika ny fifanarahana izy. Ny sehatry ny fanabeazana, fahasalamana, filaminana any ambanivohitra sy ireo ahitana fa tsy ampy ny mpiasam- panjakana no ahazo izany. Mpampianatra sy mpanabe, mpitsabo sy mpitsabo mpanampy ary mpitandro ny filaminana no ho raisina amin’izany isak’ireo faritra mila. Natao izao mba hanomezana asa ireo izay manana fari-pahaizana sahaza amin’izany fa koa hanomezana fahafaham-po ireo vahoaka amin’ny filàny isan-karazany. Irariana mba tena hisy asa hanaraka azy fa tsy ho be famaritra fotsiny ihany.

Ally Herisoananahary

Laisser un commentaire