Mitaraina ireo diabetika tsy misoratra any amin’ny AMADIA mikasika ny vaksiny
Efa maro ireo mpisehatra eo amin’ny fahasalamana sy ireo mpitandro ny filaminana no nisitraka ny vaksiny fanefitry ny covid-19. Ho an’ireo sokajin’olona marefo kosa, nanambara ny fanjakana fa ireo izay misoratra anarana tao amin’ny AMADIA ihany no hisitraka ny vaksiny, indrindra ho an’ireo diabetika. Mitaraina araka izany ireo diabetika izay tsy mbola nisoratra anarana ao amin’ity fikambanana tsy miakina AMADIA ity, ny amin’izay tokony ataon’izy ireo ahafahany misitraka ny vaksiny. Ireo olona diabetika izay mitsabo tena eny amin’ireo hopitaly na dokotera miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana tsy anaty fikambanana ireto velon-taraina ireto. Manampy izany ny anefa ny mikasika ireo diabetika izay voatery nanajanona ny asany, ka tokony handray karama araka ny nambaran’ny filoham-pirenena, saingy mbola vitsy ireo orinasa manaraka izany. Ireo diabetika ireo izay tena atahorana sy ahiana mafy ny ainy amin’ity valan’aretina covid-19 ity amin’ny mahaolona marefo azy ireo.
Ally Herisoananahary
