ActualitésTsidika

Ambohimangakely : Manampy ny tanora hanana asa ny BTC

Mitohy hatrany ny fisoratana anarana amin’ny fampianarana plomberie de base ao amin’ny BTC Ambohimangakely. Azo atao tsara ny miasa tena aorian’ny fiofanana.

« Iray volana ny faharetan’ny fampianarana. Isaky ny alatsinainy amin’ny 1 sy sasany hatramin’ny 5 ora sy alarobia amin’ny 8 sy sasany hatramin’ny 1 ora » hoy i Diamondra, mpitantana ao amin’ny BTC Ambohimangakely. « Efa betsaka ny fiofanana nataoko tato amin’ny BTC. Tena manampy tokoa izy ireo. Tsy ny vola no tanjon’izy ireo fa ny fananantsika tanora hoavy mamiratra » hoy i Barijaona, tanora avy ao Ambohimangakely.

Misy ny fizarana mari-pahaizana any amin’ny faran’ny fampianarana. Any amin’ny BTC Ambohimangakely hatrany no hanatanterahana ny fiofanana.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire