Talata Volonodry : Ny Agrifarm no nandrombaka ny amboara
Tontosa soa aman-tsara ny lalao baolina kitra nokarakarain’ny kaominina Talata Volonondry. Ny ekipan’ny Agrifarm no nandrombaka ny amboara tamin’izany.
« Omby no amboara ho an’izay nivoaka ho mpandresy tamin’ity. Ny Agrifarm no nahazo izany raha ny Tmft no nahazo ny laharana faharoa izay nomena maillot sy baolina. Ny Zamita kosa no nahazo ny fahatelo izay nomena maillot. Isaorana ireo nandray anjara rehetra » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Talata Volonondry. « Mahafinaritra tokoa ny lalao tahaka izao. Mampiala voly sy mampiroborobo ny tanora tokoa. Isaorana ny kaominina manome sehatra hatrany ny tanora » hoy i Arnold, tanora ao Talata Volonondry.
Nanome toky hatrany ny kaominina amin’ny fanohanana ny fanatanjahan-tena ho an’ny tanora. Miroborobo hatrany ihany koa ny hetsika ara-panatanjahan-tena eto Avaradrano.
Nicole Rafalimananjara
