ActualitésTsidika

Andro ratsy : Tsy latsaky ny 48 ireo namoy ny ainy

Tsy latsaky ny 48 ireo namoy ny ainy nandritra iny andro ratsy nandalo teto amin’ny nosy iny raha ny tatitra navoakan’ny BNGRC farany. Manodidina ny 130 000 ireo tra-boina. « Nahatratra 48 ireo namoy ny ainy nanerana ny nosy nandritra iny andro ratsy iny. Ny 33 tamin’ireo dia voaisa teto Analamanga avokoa » hoy ny avy ao amin’ny Birao nasionaly misahana ny fitantanana ny loza voajanahary na ny BNGRC.

« Tena nadrava teto amin’ny firenena iny andro ratsy iny indrindra teto Antananarivo. Tsara foana ny misoroka ny mety hisian’ny loza tahaka izany dieny izao » hoy i Faly, mpianatra mikasika ny tontolo iainana. « Mbola tsy mahita aleha ny ankamaroan’ny mponina rava trano. Miisa 129 718 ireo olona tra-boina amin’izao raha to aka 114 133 no avy eto Analamanga. Mila ny fifanampiana izy ireny » hoy i Fidy, manam-pahaizana mikasika ny loza voajanahary.

Ao anatin’ny fanarenana ny rava isika izao. Fotoana indrindra izany hifanomezan-tanana hampanjakana ny fihavanana sy ny firaisan-kina.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire