ActualitésTsidika

Fianarantsoa : Voatery miakatra an-drenivohitra ireo marary

Tsy mandeha ny « scanner » ao amin’ny Hopitaly Fianarantsoa. Voatery miakatra aty an-drenivohitra noho izany ireo marary mila izany. « Mijaly ny marary mila scanner eto Fianarantsoa. Ny scanner simba efa fotoana maro izay. Tsy zarizary ny fitaovana entina mitsabo kanefa ny fianakaviana mamoaka vola foana » hoy ny fianakaviana iray manana marary.

« Voatery entina miakatra amin’ny fiarakodia amin’ny halaviran-dalana 400km mandritra ny 9 ora ilay marary mafy. Miaraka amin’ny dokotera izay aloa vola, ny fanafody ilaina an-dalana rehetra. Maro ireo mamoy ny ainy eny an-dalana » hoy i Feno, mponina ao Fianarantsoa. « Tsy i Fianarantsoa irery akory no simba ny scanner. Tsy misy ireo fikojakojana izany hany ka mora simba izy » hoy ny fanazavana nomen’ireo mpitsabo ao amin’ity hopitaly ity. Ny scanner anefa dia tena ilaina amin’ny fitiliana ireo marary maro. Aina no vonjena, ary tsy kilalao izany.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire