ActualitésTatitra

Amérique Centrale : Ectophylla alba, ramanavy fotsy

Solontena tokan’ny karazana Ectophylla ny Ectophylla alba na « chauve-souris blanche ». Karazana ramanavy izy io izay ao amin’ny fianakavian’ny « Phyllostomidae ». Ao amin’ny ala tropikalin’i Amérique centrale kosa no tena ahitana azy.

Mifery manodidina ny 2,5 hatramin’ny 5 santimetatra eo ny Ectophylla alba. Miavaka amin’ny lokony fotsy izy ary fohifohy kokoa ny rambony. Ahitana loko mavo na volomboasary kosa eo amin’ny tarihiny, sofiny ary amin’ny faritra kelin’ny tanany sy ny elany.

« Frugivore » io karazana ramanavy io. Voankazo sy zava-maniry ihany no hoaniny. Anisanybiby ahatahorana ho lany tamingana nohon’ny fandriahan’ala kosa ny Ectophylla alba.

Laisser un commentaire