ConseilTsidika

Fomba sy kolontsaina : Ny ala-volon-jaza teo amin’ny malagasy

Fomba nanana ny lanjany ary tsy nataon’ny malagasy fahiny ambanin-javatra, tahaka ireo fomba rehetra amin’ny fahaveloman’ny olombelona sy fahafatesana ny ala-volonjaza. Ny ala-volon-jaza dia efa fanaon’ny malagasy. Fanalana na fanetezana voalohany ny volon’ny zaza izy io. Arahina lanonana sy fivavahana ny fanatanterahana izany taloha. Anarana hafa hiantsoana ny ala-volon-jaza ny hoe « Sonia ».

Rehefa eo amin’ny faha roa volana handray telo ny zaza no hatao ny ala-volon-jaza. Misy ihany anefa ireo manao izany eo anelanelan’ny faha telo hatramin’ny faha fito volan’ny zaza. Izay tsara volo ao anatin’ny fianakaviana no manala ny volo mba hahafahan’ny volony maniry tsara avy eo.

Tamin’ny andro taloha, manantona mpanandro mijery ny andro tsara anaovana izany.

Misy ireo karazana fitaovana ampiasaina mandritra ny fanatanterahana izany. Eo anjoro firarazana, atsatoka eo ny akondro, ny fary ary ny famoa. Eo afovoan’ny trano kosa, apetraka eo ny sahafa misy ny vary, ny saonjo, ny trafon-kena, ny toho lena izany efa samy masaka avokoa ireo ary ny tantely. Rehefa vonona ireo rehetra ireo dia hanetezana kely ny volon’ilay zaza ka afangaro amin’ireo sakafo eo ambony sahafa izay efa itangoronan’ny mpanatrika.

Raha vao misy mibaiko na rehefa mifangaro tsara amin’ny sakafo ny volo dia mifandrombaka ny rehetra ary ny sasany mifandrombaka fary eo an-joron-trano. Amin’io fotoana io no hanomezana anarana ny zaza.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire