ConseilTsidika

Torohevitra : Fomba famotsiana nify

Mety ho maro ny antony mahatonga ny nify ho lasa mavo. Mety tsy fahampiana otrikaina any anatin’ny vatana, na tsy fahampiana fikarakarana ny aty vava no mahatonga ny nify ho lasa mavo. Anisan’ny mahamenatra ary tsy mampahazo aina ny nisy mavo. Azo atao tsara anefa ny mikojakoja azy io, mamerina azy ho fotsy amin’ny fikarakarana natoraly.

Voalohany, ny fampiasana ny karibonetra sy akoran’atody. Ireo vokatra ireo izay tsy saro-tadiavina fa hita amin’ny fiainana andavan’andro. Potehina ny akoran’atody mba ahazoan’ny vovony ka atambatra amin’ny karibonetra kely. Io fangaro io no hikosehana nify toy ny miborosy nify mahazatra avy eo. Indray mandeha isanandro no tsara anaovana azy. Anisan’ny misoroka ny aretinify ihany koa ity fangaro ity raha sendra misy izay aretinify izay.

Faharoa, ny fampiasana ny arina (charbon). Ireo olon-dehibe taloha dia anisan’ny nampiasa ity fomba ity ary tena nahatsara nify azy ireo tokoa. Toy ny fikarakarana teo aloha, potehina ho lasa vovony ny arina (charbon) ka hikosehana ny nify avy hatrany. Afaka asiana sira kely.

Ny karibonetra izay efa tsy zoviana ireo tombotsoa amin’ny fampiasana azy raha hikarakarana vatana na hanasitranana, anisan’ny miady amin’ny bakteria sy ny loto ity vokatra ity, toa izany ihany koa ny arina. Ny akoran’atody izay tena betsaka calcium izay anisan’ny ilain’ny nify sy ny ati-vava tokoa.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire