Alasora : Handalo ao antokotanin’ny kaominina ny Jiramobile
Handalo ao amin’ny kaominina Alasora ny Jiramobile, amin’ny alatsinainy sy talata ho avy izao. Afaka manantona ao an-toerana ireo mponina manatanteraka ireo fangatahana na hanatanteraka fandoavana jiro tahaka ireo fanao eny amin’ny biraon’ny jirama, raha ny voalaza.
« Miezaka manakaiky ny vahoaka eny ifotony hatrany ny orinasa jirama ka anisan’ny nahazo anjara amin’izany ny mponina ao Alasora. Amin’ny alatsinainy izao dia handalo eo antokotanin’ny kaominina ny masohivoho mandehandeha, hanala fahasahiranana ny mponina amin’ireo tolotra isan-karazany » hoy ny avy ao amin’ny Jirama.
« Mpiasa avy amin’ny orinasa jirama efa matihanina sy manana traikefa no ho tazana eny an-toerana. Azon’ny mponina atao mandritra izany ny manao fangatahaka amin’ny fampidirana jiro, fividianana fahana, mandray fitarainana sy ny maro hafa » hoy hatrany ny fanazavana.
Azon’ny mponina hantonina tsara araka izany ny Jiramobile. Marihina anefa fa tsy afaka mandray sy mitahiry vola ny Jiramobile.
Manitra R.
