ActualitésTatitra

Grèce : Mbola ao anaty fisaonana ny firenena

Niditra tao anaty fisaonam-pirenena ny alarobia teo i Grèce manoloana ny fahafatesana olona manodidina ny 80 isa. Raha tsiahivina dia sambo iray nitondra mpifindra monina no rendrika tao amin’ny ranomasina Ionienne, tsy lavitry ny saikinosy Péloponnèse ka nitarika fahafatesan’olona teo amin’ny 79 teo.

Olona 750 isa nefa no tao anatin’ny sambo raha ny fanazavan’ny praiminisitra mpisolo toerana tao Grèce ka heverina fa mbola hiakatra io antontan’isan’ny olona namoy ny ainy io. Marihana fa olona 104 kosa no efa avotra. Raha ny fantatra kosa dia niainga avy any Libye ary nikasa hiazo an’i Italie io sambo io.

Nanazava ny mpiambiana ny sisintanin’i Grèce fa tamin’ny fotoana nisehoan’ny loza dia tsy nisy nanao « gilet de sauvetage » ireo mpandeha na iray aza. Efa ny talata ariva kosa no tsikaritry ny fiaramanidina Frontex, an’ny masoivoho mpanara-maso ny sisintany ao Europe io sambo io saingy tsy nanaiky ny fanampiana azy ireo mpandeha tao anatin’izany.

Laisser un commentaire