SocialTatitra

Somalie : Mahery vaika ny fihetsiketsehana ataon’ny mpanohitra.

Mangataka ny hialan’ny filoham-pirenena ao Somalie ny mpanohitra any an-toerana ankehitriny. Amin’ny alalan’ny fitokonana sy fihetsiketsehana no hanatanterahan’izy ireo izany. Misy ireo andian’olona natosiky ny mpanohitra hanao fanakorontanana manerana ny firenena. Ireto mpanohitra ireto izay efa somary niato tao anatin’ny fotoana maharitra, saingy izao velona izao indray noho ny asa tsy manjary ataon’ny filoham-pirenena, hoy izy ireto. Faritra iray any amin’io firenena io ankehitriny no nogiazan’ireto mpanohitra ireto. Mogadiscio, izay arahin’izy ireto maso fatratra ankehitriny taorian’ny fifandonana teo amin’ny tafika somalianina. Mbola re matetika ao amin’io tanana io ny feom-basy. Tsy handrenesana tabataba kosa anefa, saingy ahitana olona mitam-piadiana mifamezivezy. Vokany, maro amin’ireo mponina ao amin’io faritra io no mitsoaka ny toeram-ponenany noho ny tahotra. Ahiana mantsy, hoy ireo mponina, ny hitohizan’ny ady eo amin’ny mpanohitra sy ny tafika any an-toerana. Misy amin’ireo andian-tafika ihany koa manampy ny mpanohitra. Milaza ny tsy hitsahatra amin’ny fihetsiketsehana ireto mpanohitra ireto raha tsy miala amin’ny toerany ny mpitondra.

Laisser un commentaire