France : Tovolahy iray no maty andro rehefa nandeha nilomano taorian’ny fanadinana baccalauréat
Vondrona mpianatra iray no niara niala sasatra teo amoron’ny dobo Hédé, tao Saint-Symphorien taorian’ny adina filozofia nandritra ny fanadinana baccalauréat ny herinandro lasa teo. Nanapa-kevitry ny hilomano ny sasantsasany tamin’ireo zatovo ary nisy tovolahy telo nifaninana nilomano nakeo amin’ny « ponton » mbola 100 metatra niala azy ireo.
Tonga soa aman-tsara teo amin’izany « ponton » izany ny roa tamin’ireo mpianatra ireo raha nanomboka sahirana kosa ilay tovolahy fahatelo vao niala 10 metatra teo. Nanomboka nisafoaka ilay tovolahy ary niletika tany anatin’ny rano.
Manoloana ny tranga kosa dia nantsoina ny manam-pahefana ary anato ny fikarohana. Ora roa taorian’izany vao hita io tovolahy manodidina ny 18 taona io. Mbola miezaka namelona an’ity farany nandritra ny 45 minitra ireo mpamonjy voina saingy tsy tana intsony ny ainy.
