PolitiqueTatitra

Singapour : Niala amin’ny toerana maha praiministra azy ny praiministra any an-toerana taorian’ny nitondrany nandritra ny 20taona

Nanao fanambarana omaly alatsinainy ny praiminitra ao Singapour, Lee Hsien Loong, fa hiala amin’ny toerana maha lehiben’ny governemanta azy, ny 15 may izao, taorian’ny nitondrany tao anatin’ny 20 taona. Ny praiministra lefitra ankehitriny, Lawrence Wong, indray no hisolo toerana azy, araka ny fanazavana. Mpahay toe-karena, nivoaka avy any Etazonia, izay 51 taona, ity handimby azy ity. Izy ihany koa no ho praiministra faharoa tsy avy amin’ny fianakaviana Lee, hitondra ny governemanta ao an-toerana. Araka ny fanazavana hatrany, ny taona 2022 i Wong, no notendrena ho mpandimby ny fianakaviana Lee. Ny tenany moa dia sady ministry ny fitantanam-bola ao amin’ity firenena ity.

Laisser un commentaire