République Démocratique du Congo : Olona 30 maty nandritra ny fifandonan’ny tafika sy ny Codeco
Olona 30 farafahakeliny no maty nandritra ny roa andro nisian’ny ady teo amin’ny tafika Congolais sy ny vondrona mitam-piadiana mavitrika ao Ituri, avaratra-atsinanan’ny République Démocratique du Congo (RDC), araka ny tatitra an-tsoratra avy tamin’ny tafika ny alakamisy 18 martsa lasa teo. Ampangain’ny mponina ao an-toerana ho mitrandraka volamena tsy ara-dalàna ireo vondrona Codeco ireo. Efa nisy ny fandroahana azy ireo ny volana febroary lasa teo raha saika haka an-keriny toeram-pitrandrahana roa izay ana orinasa Congo. Nambaran’ny Codeco tamin’izany fa misy anjaran’ny Ituri ao amin’io toerana io. Tsy nanaiky izany anefa ny tafika congolais noho ny tsy fisian’ny taratasy mazava, ka raikitra ny fifampitifirana rehefa tsy nifanara-tsaina. Toerana matetika hisian’ny ady ao Ituri efa hatramin’ny taona 1999.
