Belgique: Tezitra noho ny fisian’ireo mpandray zava-mahadomelina izay miteraka ny tsy fandriam-pahalemana ao an-tanàna I Serkan
Manomboka miahiahy ny fiovana misy ao amin’ny tanàna misy ny fianaran-janany anankitelo any Schaerbeeek I Serkan izay raim-pianakaviana 36 taona. Tsikariny manko fa manomboka betsaka ireo mpandray zava-mahadomelina izay fototrin’ny tsy fandriam-pahalemana any an-toerana ka manaitra ny tompon’andraikitra ny amin’izany izy. Rehefa manatitra ny zanany manko izy dia mahita ireo tanora mandray zava-mahadomelona imasomaso eo ka manendaka ny mpandalo mihitsy hoy ity raim-pianakaviana ity. Lasibatra amin’izany ny zaza sy ny renim-pianakaviana izay marefo manoloana ny heriny ka mahazo vahana izy ireo. Efa in-betsaka izy no nitaraina ny amin’ireto mpifoka zava-mahadomelina ireto saingy tsy misy ny fandraisan”’andraikitra mandrak’izao.
