La Réunion: voaheloka 30 volana am-pigadrana satria nampiseho sary mamoafady zaza tsy ampy taona
Lehilahy 41 taona no voaheloka ny 8 Jolay lasa teo noho ny fampisehoany sary mamoafady zaza tsy ampy taona. Ny novambra 2020 no niseho ny tranga tany Saint-Pourçain-sur-Sioule. Mpianatra kely 2 izay 11 taona avy no nosakanany teny an-dalana, ity rangahyizay avy any Amerique ka nampisehoany ilay sary. Nametraka fitarainana teny amin’ny polisy vokatr’izany ny fianakavian’ireto zaza ireto. Nambaran’ity rangahy ity fa tsy tsikariny loatra ny taonan’ireto zaza ireto ary nambarany koa fa niaina tranga sarotra satria tratran’ny dona tamin’ny 11 septambra 2001 tany New York ny tenany. Nahita sary mamoafady hafa tao anaty fiarany sy tao anaty solosainany ihany koa anefa ireo mpanadihady.
