Rahajason Harry Laurent : Mbola tsy fantatra ny fotoana hivoahany ny fonja.
Voasaringotra amin’ny raharaha maro i Rahajason Harry Laurent antsoina ihany koa hoe Rolly Mercia. Minisitry ny serasera tamin’ny andron’ny fitondrana Hery Rajaonarimampianina izy. Tsiahivina fa nahiditra am-ponja izy nohon’ny raharaha samihafa izay hanenjehana azy. Efa maro ireo fotoana nangatahany fahafahana vonjimaika fa saingy nandamoka izany. Mbola manjavoazavo ankehitriny ny raharaha mahakasika ity mpanao politika ity. Maro amin’ireo mpanaraka azy no milaza fa valifaty politika hataon’ny fitondrana ankehitriny no mahatonga azy ho toy izao. Eo ihany koa ny fanehoan-kevitra samihafa manambara fa voaroiroy amin’ny resaka fanakorotanana samihafa izy. Tafiditra ao anatin’izany ny resaka fitokonan’ny mpianatra teny ambohipo ny 13 Jolay 2020. Samy manana ny filazany ny olona rehetra mahakasika ity raharaha ity. Tokony hanao fanadihadihana lalina ihany koa ny fitsarana mba hahafantarana ny tena zava misy marina. Tsiahivina mantsy fa nisy mpianatra iray nibaboka fa nirahin’olona ambony izy hanoso-potaka ny anarany. Na teo aza io fijorona vavolombelona io, mbola mitana azy ihany yeo anivon’ny fitsarana. Mampametram-panontaniana ny maro araka izany ity raharaha ity, ny fianakaviana etsy ankilany milaza fa olo-marina izy, raha mitohy manameloka azy kosa yeo anivon’ny fitsarana etsy andaniny.Handrasan’ny maro araka izany ny tohin’ity raharaha ity.
Fanilo Rarivoarilala
