Malaisie : Sakafo maro naka tahaka ny « Laska »
Sakafo mampiavaka ny firenen’i Asie ny lasopy misy paty, izy ireo no nitondra izany teto Madagasikara. Anisan’ireo lasopy maro mpihinana eran-tany ny « laska ». Malaisie, Indonésie ary Singapour no tena nipoirany.Lasopy misy paty misy hanitra ny « laska » raha fintinina, paty, ronona voanio, patsa be, trondro na hena, karia (pâte de curry), sakay, veromanitra sy kotomila no akora fototrany. Msiy karazany telo ny « laska » : ny « curry laksa » izay lasopin-karia sy voanio, ny « asam laksa », lasopy trondro mangidingidy, ary ny « sarawak laksa » izay ampiasaina paty vita amin’ny vary na « nouilles de riz ». Ny mampitovy an’ireo kosa dia izy misy paty avokoa.
