Norvège : Iza moa i Erna Solberg ?
Maro be ireo vehivavy efa miadidy eo amin’ny fitantanana ny firenena. Olom-panjakana norvégien i Erna Solberg, teraka ny 24 febroary 1961 tao Bergen izy. Mpikambana ao amin’ny “Parti conservateur” (Høyre) izy ary praiministr’i Norvège nanomboka ny 16 oktobra 2013. Efa mpikambana ny parlemanta Norvégien ihany koa izy hatramin’ny taona 1989 ary efa nisahana ny toeran’ny ministry ny raharaha tao an-toerana sy ny fampandrosoana isam-paritra tao amin’ny governemanta faharoan’i Kjell Magne Bondevik nanomboka ny taona 2001 ka hatramin’ny 2005. Nandimby an’i Jan Petersen teo amin’ny toeran’ny filohan’ny « Parti conservateur » izy ny taona 2004.
