ActualitésTatitra

Etats-unis : Orinasa mpampokatra fiara mandeha amin’ny herinaratra ny Tesla

Orinasa natsangan’i Martin Eberhard sy Marc Tarpenning ny Tesla tamin’ny 1 jolay 2003. Tesla Motors no niantsona azy tany am-piandohana hatramin’ny taona 2017. Fanomezam-boninahitra an’i Nikola Tesla, mpamorona ary injenierana kosa no niavian’io anaran’ny orinasa io.Ao Palo Alto, Californie ao Silicon Valley, no misy ny ivon’ny Tesla. Orinasa mpanamboatra fiara mandeha herin’aratra izy ary mamisavisa ny « fanafainganana ny fiampitanan’izao tontolo izao amina drafitrana angovo maharitra (schéma énergétique durable) ».Miavaka amin’ny teknolojia avo lent any Tesla, indrindra amin’ny « pilotage automatique ». Ny « Tesla Roadster » kosa no fiara novokarin’ny orinasa voalohany tao San Carlos. Ny 19 jolay 2006 izy no naseho ny daholo be ary nanomboka nisy “série” izy ny 17 martsa 2008 hatramin’ny taona 2012. Efa namolavola andiany faharoa amin’io « Tesla Roadster » io kosa ny orinasa nanomboka ny 17 novambra 2017 ary ho amidy amin’ny taona 2022 izao.

Laisser un commentaire