BTC Ambohimangakely : Manandratra ny maha Malagasy amin’ny alalan’ny sary
Ambara mazana fa ny tanora no hoavin’ny firenena. Hita anefa fa manomboka miditra ny fanontoloana eto amintsika. Ny mampalahelo dia miha manjavona miaraka amin’izay ny maha Malagasy sy ny kolontsaina.
« Tanjon’ny BTC amin’ity volana ity ny hamohafoha ny maha Malagasy. Tsy azo adinoina fa Malagasy isika ary manana ny kolontsiana. Misy fifaninana maka sary maneho ny maha Malagasy ato amin’ny BTC Ambohimangakely » hoy i Ando, mpikambana ao amin’ny BTC Ambohimangakely. « Mandraisa anajra amin’ny fifaninana resaka kolontsaina izany ry tanora. Tia maka sary ianareo dia asehoy miaraka amin’ny fitiavanareo maka sary ny maha Malagasy » hoy i Aina, mpikabary sy manaja ny fomban-drazana.
« Tsy ny teknolojia no ratsy. Tsy haintsika fotsiny ny mampiasa azy. Tsy mamono ny kolontsaina izy. Tsy haintsika fotsiny ny mampiaraka azy amin’ny kolontsianantsika. Tiantsika ny sary, asehoy amin’ny sary ny kolontsaina dia angataho « j’aime » toy ny mahazatra » hoy i Diamondra, tompon’andraikitra ao amin’ny BTC.
Miha manakaiky hatrany ny tanora tokoa ny BTC Ambohimanagakely. Mizara loka ho an’ireo mpandresy amin’ny fifaninana izy ireo. Maimaimpoana anefa ny fandraisana anjara. Ny fomba mahazatrantsika ato amin’ny tamba-jotra ihany no hifaninana. Maka sary isika maneho ny maha Malagasy. Alefa any amin’ny BTC. Anjarantsika ny mitady « j’aime » ho an’ilay sary nalefa tao amin’ny pejy.
Nicole Rafalimananjara
