ActualitésTsidika

Alasora : Ny fiaraha-miasan’ny vahoaka sy ny mpitandro filaminana no nahatratrarana ireo mpamatsy rongony

Tratra niaraka tamin’ireo rongony ireo tanora mpamatsy rongony eny Alasora. Tsy nampoizin’izy roalahy ny fidinaa tampoka nataon’ny mpitandro filaminana teny akaikin’ny fiantsonan’ny taxi-be 163.

« Rongony miisa 150 fonosona natao tao anaty kitapo no hita teny amin’izy ireo. Tsy vitan’ny mpifoka fotsiny izy ireto fa mpivarotra sy mpamatsy rongony mihitsy » hoy ny avy ao amin’ny Polisim-pirenena. « Tena mamotika ny hoavin’ny tanora ny fiparitahan’ny zava-maha-domelina sy ny fandraisana izany. Antony iray lehibe mahatonga ny tsy fandriam-pahalemana ihany koa » hoy i Patrick, mpampianatra eny amin’ny lycée.

« Tena mampalahelo ny tanora tahaka izao. Vao kely, vao manomboka fiainana dia hahita ny fonja sahady. Mila mahay manavaka ny mety sy ny tsy mety ny tanora fa ho simba ny hoavy raha izao foana » hoy i Felix, raim-pianakaviana monina ao Alasora. Fiaraha-miasa avy amin’ny tsara sitra-po no nahatratrarana ireto tanora ireto. Tena ilaina tokoa ny fiaraha-miasa akaiky amin’ny vahoaka sy ny mpitandro filaminana amin’ny fisamborana ny ratsy tahaka izao.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire