Sabotsy Namehana: Hisy ny lalao famaranana amin’ny taranja baolina kitra vehivavy amin’ny alahady
Hisy ny lalao famaranana, ady baolina kitra vehivavy amin’ilay “tournoi voasarin’I Namehana” ao amin’ny kaominina Sabotsy Namehana, izay atao amin’ny alahady 09 oktobra ho avy izao, ao amin’ny kianja Herisetra Rafanodina Sabotsy Namehana, manomboka amin’ny 02 ora tolak’andro.
“Lalao famaranana, ady baolina eo amin’ny sokajy vehivavy no hiseho amin’io folak’andron’ny alahady io, izay hifandonan’ny ekipan’I Sabnam sy ny FC Queen Morarano. Asaina ho tonga avokoa ny ekipa mpanohana sy ny mpijery rehetra” hoy ny mpikarakara ny lalao.
“Efa vonona avokoa ny ekipa mpanohana sy ny mpankafy baolina rehetra, indrindra fa ny eto Sabotsy Namehana, ho avy hanohana ireo ekipa. Samy mahay samy favory ireo ka mety hafinaritra ny lalao” hoy Heritiana, mponina ao Sabotsy Namehana.
Ao anatin’ny fialam-boly no manohana ny mpijery mandritra io fotoana io. Anisan’ny tena ilaina ny fanentanana sy ny fanohanana amin’ny fotoana toa izao mba ho hery entina manosika ireo ekipa mpilalao.
Manitra Ramanantsoa
