Lokon-danitra : Ny fomba fiforonany sy ny karazany
Ny matetika hita dia ny lanitra miloko manga. Loko manga izay misy karazany maro ary noho ny antony samihafa ihany koa. Fifangaroan’ny hazavan’ny masoandro sy ireo singa mandrafitra ny atmosfera no mahatonga io lokondanitra io miovaova.
Ny tara-pahazavan’ny masoandro tsy elingelenin’ny rahona fa avy hatrany dia miditra anatin’ny hazavana amin’ny tany no miteraka ny fahitana azy ho manga. Rehefa misy rahona sy rano miandrona ao anatin’io rahona io dia manopy fotsy tanteraka ny fahitana azy io. Marihina fa miovaova arakaraky ny fomba fijerin’ny maso io loko io.
Ny loko manga no tena fahita matetika, miova ihany koa io manga io araka ny fotoana sy ny toerana handinihana ny lanitra, indraindray dia manga tanora, manga be ary mety hiloko “azur” ihany koa. Mety ahita loko hafa ihany koa anefa eny amin’ny lanitra eny, indrindra rehefa vao hiposaka iny ny masoandro sy rehefa izy hody, mety ho volom-boasary izany na ho mena na ihany koa ho mavo.
