Ankadikely Ilafy: Hanangana tranom-boky ho an’ny EPP Antanetibe
Hisitraka toerana famakiam-boky ny EPP Antanetibe, ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy. Tontosa tamin’ny herinandro teo, ny ady fototra amin’ny fananganana ny foto-drafitr’asa.
« Natomboka anio ny ady fototry ny trano famakiamboky (Bibliothèque) ho an’ny EPP Antanetibe. Heverina ho iray volana eo ho eo ny fanatanterahina ny asa fanorenana. Hitondra tombotsoa lehibe ho an’ny mpianatra eto amin’ny sekoly ny fahazoana izao fotodrafitrasa izao satria hanampy betsaka amin’ny fianarana sy hampitombo ny fahalalàn’izy ireo » hoy ny avy amin’ny kaominina.
« Fiaraha-miasa teo amin’ny « Inner Wheel Club d’Antananarivo » no nahafahana nisitraka izao trano famakiamboky izao ary izy ireo ihany koa no hamatsy ny boky sy ireo fitaovana hametrahana an’izany. Marihina fa tsy sambany akory ny fiaraha-miasa fa efa nisy tany aloha » hoy hatrany ny fanazavana.
Tsy afa-misaraka amin’ny fanabeazana ny toeram-pamakiana boky. Ao anatin’izany no loharana fanovozam-pahalalana ho an’ny mpianatra. Tokony hanana toerana famakiam-boky avokoa ny sekoly rehetra.
