Tetik’asa Tanamasoandro : Mandroso ny fananganana ny foto-drafitr’asa
Andalam-pamaranana ireo trano miisa 240 izay hatsangana ao Imerintsiatosika ny tomponandraikitry ny tetik’asa tanamasoandro. Eo am-panomanana ny fanomboan’ireo 80 ambiny hameno azy ho 320 sisa izy ireo amin’izao fotoana. Efa an-dalam-pahavitana ihany koa ny abatoara tsy maintsy nafindra teny an-toerana, izay havaozina ho manara-penitra, hoy ny sekreteram-panjakana misahana ny Tanàna vaovao sy ny Toeram-ponenana, Andriamanohisoa Gérard.
Natomboka ny 14 aprily teo ny fanamboarana ny lalana rarivato mirefy 700 m mandalo ny toeram-ponenana haorina eny Imerintsiatosika. Mampitohy fokontany miisa 15 eny an-toerana sy kaominina 4 (Miantsoarivo, Miandrandra, Ambohimandry ary Ambohipandrano) hafa izay tsy maintsy mandalo eo amin’ny lalana izany.
Hasina Rasamimanana
