Tolagnaro : Tontosa ny asa tagnamaro
Tontosa tamin’ny antsakany sy andavany sy asa tagnamaro natao tao Tolagnaro ny faran’ny herinandro teo. Notarihin’ny Fitaleavam-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina Anôsy, tohanan’ny kaominina ambonivohitr’i Tolagnaro izany. Nanotrona izany ihany koa ireo hery velona marolafy tao an-toerana, niankina sy tsy niankina tamin’ny fanjakana. Vahoaka maro be no nifandrimbona niasa tamin’ny fanatsarana ny toerana fialana sasatra manoloana ny CHRR Philibert Tsiranana Tolagnaro tamin’izany.
Hasina Rasamimanana
