ActualitésTsidika

Fampianarana ambony : Tsy maintsy vitaina ny fanamboarana ny Oniversite Antsirabe sy Taolagnaro

Haverina ireo dingana ara-panjakana rehetra amin’ny fanaovana tolo-bidy amin’ny tsenan’asam-panjakana mikasika ny fanamborana ny Oniversirte Antsirabe Vakinankaratra sy Taolagnaro Anosy. Efa nanomboka ny taona 2020 sy 2021 no tokony efa nanomboka ny asa ireo orinasa izay nahazo ny asam-panjakana, saingy noho ny olana izay nisy teo amin’ireo orinasa dia voatery najanona izany. Amin’izao fotoana izao dia hafainganina ny asa ka tsy maintsy mitady orinasa vaovao ny Ministera.

« Efa nisy ny taratasy fanairana nalefa tamin’ireo orinasa tokony nanao ny asa fa tsy nety vita mihitsy ny asa. Roa taona izany hoe tamin’ny 20 febroary 2023 teo vao nandefa ny taratasy fialana an-daharana ny orinasa noho ny olana nahazo azy. Tsy maintsy notapahina araka izany ny fifanarahana tamin’io orinasa io hahafahana manao tolo-bidy vaovao izay tsy maintsy hafainganina », hoy ny Ministeran’ny Fampianarana ambony.

Naneho ny heviny ihany koa anefa ireo mpanara-baovao mahakasika izany. « Nandritra ny roa taona no tsy namely sady hita tampoka ilay orinasa dia tsy nisy ny fikarohana vahaolana fa ny fiandrasana azy ireo hiseho no natao. Izany ve tsy midika fa akaiky ny fifidianana dia hatsaraina avokoa ny zavatra rehetra, hatao hamehana avokoa ny asa rehetra satria vary mangatsiaka. Mitondra any amin’ny faharatsian’ny kalitao anefa izany », hoy i Niaina, mponina ao Antsirabe.

Sarobidy ny fampianarana, araka izany dia sarobidy ihany koa ny foto-drafitr’asam-pampianarana ka tsy tokony hatao ambanin-javatra. Tokony ho kalitao tsara ireny ahafahana manabe ho amin’ny soan’ny tanora.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire