Ambatondrazaka : Ireo mpanolontsaina ao amin’ny kaominina no nangataka ny fanovana ny birao maharitry ny mpanolontsaina
« Tsy fahefan’ny Ben’ny tanàna ny manova ny birao maharitry ny mpanolontsaina » hoy ny Ben’ny tanànan’Ambatondrazaka, Andriamatoa Roger Ratianarivo. Taratasy fangatahana nosoniavin’ny Mpanolontsaina miisa 10 tamin’ireo 13 no voarainy, ka nampidiriny tao anaty « ordre du jour » na dinika ho atao mandritra ny fivoriana io fangatahana io raha nampiantso fivoriana ny tenany. Tsy marina noho izany ny filazana fa ny tenany no nangataka ny fanovana ny birao maharitra eo anivon’ny mpanolontsaina hoy hatrany izy. Nanamafy ihany koa ny Ben’ny tanàna fa tsy mbola nivarotra ny tanin’ny kaominina nandritra izay fotoana nitantanany izay, fa fampanofana ao anatin’ny fotoana voafaritra no natao ka miverina amin’ny kaominina ny tany sy ny fotodrafitrasa rehefa vita ny fifanarahana. Mikasika ny fampanofana tany amin’ny orinasa Cotisse dia nambarany fa nankatoavin’ny maro an’isa ao amin’ny filan-kevitra monisipaly ny fifanarahana ary nanao sonia izany ny Filohan’ny mpanolontsaina. Lasa niteraka olana teo amin’ny kaominina manko izao resaka izao ka izany no nahatonga ity Ben’ny tanàna ity nivoaka tamin’ny fahanginany.
Nicole Rafalimananjara
