Tontosa ny fanaovam-baksiny tao amin’ny fokontany Mandritsara
Na mbola maro aza ireo misalasala sy tsy tena mahazo antoka ny vaksiny, mitohy hatrany ny fanaparitahana sy fizarana izany manerana ny nosy. Anisany nahazo ny anjarany tamin’izany ny tao Mandritsara ary tontosa soamatsara ny 26 may. Tao amin’ny tranompokonolona Mandritsara vaovao no nanaovana ity andiany voalohany amin’ny fanaovana vaksiny any Mandritsara ity. Fatra miisa 4 000 no anjaran’ity distrika ity amin’ity andiany voalohany ity. Nohamafisina hatrany nandritra ity fanaovam-baksiny androany ity fa tsy hifanerena ary an-tsitrapo tanteraka ny fanaovana ny vaksiny. Ny Medecin Inspecteur, Dr Tovonkery Alfred, no nisantatra izany ary narahan’ireo mpitandro ny filaminana sy ireo tompon’andraikitra maro ao amin’ny andrim-panjakana any an-toerana. Mbola mitohy hatrany ezaka fanamparitahana ny vaksiny amin’izao fotoana. Mbola tsy vita ny ady ary mbola tsy afaka hisioka velively isika fa aleo manohy mitandrina hatrany na tsy resy lahatra amin’ny fanaovana vaksiny.
Ally Herisoananahary
