Tsiroanomandidy : Famoronana fatana mitsitsy sy arina vita amin’ny bozaka
Mpikambana dimy amby valopolo ao amin’ny komity miaro ny tany avy amin’ny Kaominina fito anatin’ny Distrikan’i Tsiroanomandidy no nofanina mahakasika ny fanamboaraka arina vita amin’ny bozaka sy ny fatana mitsitsy.
Ao anatin’ny vinan’ny Ministeran’ny tontolo iainana sy fampandrosoana maharitra (MEDD) ny fampiroboroboana ireo sehatra ahafahana mamokatra angovo maharitra toy ity fampiofanana tany Tsiroanimandidy ity. Iarison Herizo, tanora avy ao amin’ny fikambanan’ny tanora ho fampandrosoana fampandrosoana maharitra (AJDTD) Ankadinondry Sakay no nampiofana an-tsitrapo tamin’ny fanaovana ity arina vita amin’ny bozaka ity ary . Achille Rasolonjatovo mpampianatra mpikaroka avy ao amin’ny ANAE kosa no nampiofana momba ny fatana mitsitsy. Fomba iray ahafahana mamadika ny bozaka ho lasa loharanon-karena ao amin’ny Faritra Bongolava izao fizarana fahalalana izao mba hampihena ny doro tanety amin’iny Faritra iny.
Maro tokoa no nahita tombony amin’ity tetikasa vaovao ity, toa an’i Ravo, mpianatra : « tsy vitan’ny hoe manena ny mety ho fandoroana ny ala fotsiny ihany ity fampiofanana ity fa sady manome asa ny vahoaka ihany koa ary indrindra manamaivana ny fasahiranana ». « Tena mety ny ezaka fa ny eo amin’ny kalitaon’ny fatana mila atao mafy tsara, rehefa mamorona zavatra toy izao, tokony atao tsara noho ny vokatra efa misy eo amin’ny sehatra ara-barotra. Manantena ny hahita tombony amin’ity vokatra ity izany », toy izay kosa ny fanehoan-kevitr’i Xavier, tompon’ny orinasa fandraharana iray.
"Tena lafo mihitsy izao ny saribao vita amin’ny hazo amin’izao, ilainay mihitsy ity saribao vaovao ity fa kosa tokony atao amin’ny antonony zakan’ny vahoaka madinika ny vidin’izy ity" hoy Rose, renim-pianakaviana.
Raha ny antontan’isa nivoaka, valo amby efapolo isan-jaton’ny Malagasy no mbola mampiasa arina fandrehitra amin’izao vanim-potoana izao. Ao anatin’ireo akora fototra mbola ilain’ny mponina arak’izany ity vokatra ity. Afahana manena ireo fandoroana tanety sy ny fahasimban’ny tontolo iainana arak’izany ireto vokatra vaovao ireto.
Antenaina ny mba isian’ny fitohizan’ny famokarana sy fanapariahana izany manerana ny Madagasikara.
Tsangy Randriamampianina
