ActualitésTsidika

Politika: Fanakorontanana saim-bahoaka tokoa ve no nataon’i Mahery Lanto Manandafy? 

Notazomina eny anivon’ny Polisim-pirenena misahana ny heloka an’habaka i Mahery Lanto Manandafy nanomboka ny 29 janoary teo. Betsaka ny tsy mankasitraka izao fitazomana azy izao ary mangataka ny hisintonana haingana ny fitoriana. “Tsy ekena ny fampidirana am-ponja an’i Mahery Lanto Manandafy izay zanak’i Fianarantsoa noho ny antony ara-politika na hevitra tsy mitovy. Miantso ny fitondrana izahay hisintona ny fitsarana. Ary hilofo kokoa amin’ny vahaolana ara-tsosialy sy ara-toekarena” hoy ny naman’i Mahery Lanto Manandafy avy ao Fianarantsoa. “Resaka facebook no nitoriana azy. Fanontaniana no napetrany mikasika ilay tetezana tapaka tao Moramanga tao anaty tambajotran-tserasera facebook. Noraisina ho fanakorontanana ny saim-bahoaka izany” hoy i Doris Rakoto Samuel, vadin’i Mahery Lanto. “Izay anaovanareo ahy tsy maninona. Tsy hanaiky kosa ny hanaovanareo tsinotsinona an’i Madagasikara. Tsy hifona izany aho, mitohy ny tolona ho an’ny fitiavan-tanindrazana” hoy i Mahery Lanto Manandafy. Hita fa tsy misy tahotra tokoa eny amin’ity mpikirakira tambajotran-tserasera ity. Manohana azy hatrany ny avy ao amin’ny antoko mpanohitra RMDM ary manohitra tanteraka izay ho fisamborana izao. Fanakorotanana saim-bahoaka tokoa ve no nisy?

Laisser un commentaire