Fetin’ny Reny 2022 : Tsy nanadino ireo reny ny kaominina Anosy Avaratra
Niarahaba sy nirary soa ireo reny rehetra miasa ao amin’ny kaominina Anosy Avaratra ny ben’ny tanàna, Razafimahefa Luc. Nisy ny fanomezana nomeny azy ireo ho fahatsiarovana izany andro izany.
« Mirary soa sy mankahery ireo vehivavy sy reny manoloana ny adidy sy andraikitra sahanina eo amin’ny ankohonana izay misy azy tsirairay avy. Hotsaroana hatrany anie ianareo » hoy ny ben’ny tanàna, Razafimahefa Luc. « Hery lehibe ho anay reny miasa eto amin’ny kaominina tokoa ny toy izao. Mahatsapa tena fa tsy irery izahay fa misy namana mahatsiaro hatrany indrindra ny kaominina sy ny mpiara-miasa rehetra » hoy ny mpiasan’ny kaominina iray.
Hita ho manome toerana ny vehivavy eo amin’ny fampandrosoana sy fitantanana ny tanàna tokoa ny kaominina Anosy Avaratra. Tsy vitsy ireo mpiasa vehivavy manana andraikitra ao an-toerana. Hirariana hiparitaka amin’ny toerana sy faritra hafa izany.
Nicole Rafalimananjara
