ActualitésTsidika

Anosy Avaratra : Misy ny tetik’asa fanamboarana lalankely

Tafiditra ao anatin’ny programan’asan’ny kaominina ao Anosy Avaratra ny fanamboarana ny lalankely. Miteraka fahasahirannaa ho an’ny vahoaka mampiasa azy tokoa mantsy ny fahasimban’ny lalankely.

« Programan’asa izay efa napetraky ny ben’ny Tanana ny fanamboarana ny lalankely. Anisan’izany ny lalankely ao Faravohitra ity izay miteraka fahasahiranana ho an’ny vahoaka mampiasa azy » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Anosy Avaratra. « Tonga ny fotoana hanantanterahana ny fanamboarana ny lalankely. Hinoana fa ho tapitra hatreo ny lalana malama sy mampienjera izay mampitaraina ny vahoaka » hoy ny ben’ny tanàna ao Anosy Avaratra, Razafimahefa Luc.

Efa ho avy tokoa ny fahavaratra. Raha tsy vita dieny izao ny lalankely dia hananosarotra ny fandehanana eo amin’izany rehefa tonga ny orana.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire