ConseilTsidika

Torohevitra: Manatsara ny fiasan’ny aty, manatsara endrika ny karaoty

Anisan’ny legioma manan-karena vitamin B ny karaoty. Tsara ho an’ny maso no tena nahafantarana azy. Tsy izany ihany anefa, fa anisan’ny mitondra voka-tsoa eo amin’ny fahasalaman’ny hoditra sy ny aty ary ny volo ny karaoty. Azo hikolokoloana endrika ihany koa anefa. Noho ireo karazana otrik’aina maro izay hita ao anatin’ny karaoty, mandray anjara lehibe amin’ny fikolokoloana ireo sela ao anaty ny vatana izy io.

Ny karaoty manta no tena resahana eto. Ny karaoty potserina atao ranony (Jus) tsy misy siramamy, anisan’ny manatsara ny fiasan’ny aty ary mandrindra ny fiasany. Mandamina ny tahan’ny siramamy ao anatin’ny vatana sy ireo menaka isan-karazany izy io, ary misoroka ny homamiadana mihitsy. Rehefa mirindra ny fiasan’ny aty avy eo, madio ny tarehy ary miahafaka manaraka izany ny tasy isan-karazany. Voalaza fa manala ny kentrina sy ny sela maty amin’ny hoditra ny karaoty ary mamelombelona ny hoditra.

Araka ny mampalaza ity legioma iray ity, tsara ho an’ny fahasalaman’ny maso izy . Anisan’ny mitazona ny fahasalaman’ny maso tsy ho harary aloha loatra.

Tsara mbola kely ny zaza na ny ankizy dia amporisihana amin’ny fihinana karaoty. Tsy voatery handrahoana ihany araka izany ny karaoty. Azo atao ny mitsakotsako azy amin’izao fotsiny rehefa avy nodiovina tsara. Azo atao masa-kevoka ihany koa ary indrindra, atao rano fisotro.

Laisser un commentaire