Tratran’ny polisy ny Alatsinainy 16 Aogositra 2021 teo ilay jiolahy nanafika mpandraharaha tao an-tampon-tanànan’i Maevatanana.
Olona iray no fantatra fa maty vokatr’izany fanafihana izany ary vola mitentina 22 540 000 Ariary sy finday miisa 5 no voaroba tamin’izany. Araka ny voalazan’ny polisy, nahatratrarana basy poleta iray miaraka amin’ny balany sy bala kalachnikov roa no hita teny aminy nandritra ny fisamborana an’ity jiolahy ity.
Tafaverina kosa ny 14 540 000 Ariary sy ny finday efatra. Natolotra ny Fampanoavana ny Alakamisy 19 Aogositra 2021 ity mpanao ratsy ity. Mbola manjaka amin’ny faritra maro ny tsy fandriam-pahalemana. Ka tokony ho hapetraka foana hatrany ny andrimasom-pokonolona.
Sitraka Rajaonarivony