ActualitésTsidika

Ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo : Namoaka tatitra ny UNICEF

 Misitraka rano fisotro madio ireo mponina any amin’ny tapany atsimon’i Madagasikara amin’izao fotoana izao nohon’ny fanampian’ny UNICEF.
Maro ireo fomba nataon’ny teknisiana mba hamena ny filàn’ny mponina araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra mpitantatana ny fampihenana ny loza avy eo amin’ny Unicef. Raha ny tatitra nataon’ny Unicef, tamin’ireo tetikasa tanteraka, tafiditra ao anatin’izany ny asa fanatsarana sy fanamboarana ireo foto-drafitr’asa mifandray amin’ny fidiovana sy ny fanadiovana ao amin’ireo distrika folo voakasika manokana amin’izany tsy fanjarian-tsakafo izany. "Maro karazana ireo fomba hamatsiana ara-tsakafo ireo mponina ireo" hoy hatrany ny fanazavan’ity tompon’andraikitry ny Unicef ity.
Kaomina sasan-tsasany no efa misitraka izany famatsian-drano izany amin’ny alalan’ireo fantsona (pipeline) ary ny kaomina hafa dia voavatsy amin’ny alalan’ny “water trucking” na ny "camion-citerne" izany. Efa nanatanteraka asa fandavahana (forage) mandeha amin’ny herin’ny masoandro ihany koa ny Unicef mba hanatsarana ny fahazoan’ny mponina rano any an-toerana. Tokantrano teo amin’ny 264 000 eo no nisitraka izany famatsiana rano fisotro madio any amin’ny faritra atsimo izany hisorohana ihany koa ny Kere any an-toerana. 
                                                                                              Sitraka Rajaonarivony



Laisser un commentaire