Rocade Iarivo : Miditra amin’ny fanadiovana ny mponina
Nanomboka ny asa fanadiovana ny Rocade Iarivo, lalam-baovao mampitohy an’Andranobevava sy Amoronankona kaominina Ambohimangakely.
Asa fanadiovana maharitra fanao isam-bolana izy ity ho fikojakojana ity fotodrafitrasa ity. Mponina eny amin’ny manodidina ihany no manao asa tanamaro, miisa eo amin’ny telonjato eo ho eo izy ireo. Vary, menaka sy voamaina no omena azy ireo ho sandan’izany. « Fanabeazana ny vahoaka hanaja ny fotodrafitrasa iombonana no lalan-tsaina anatanterahana ny hetsika toy izao » araka ny nambaran’i Ravaoarisoa Jeanine tompon’andraikitra eo anivon’ny DASP (Direction des Affaires Sociale et Politique). « Ilaina tokoa ny fanaovana asa tanamaro tahaka izao ho fanadiovana, ary tsara ho fantatry ny vahoaka fa ireny fotodrafitrasa iombonana ireny dia manome endrika ny tanàna. Ilaina ny mikajy sy mikolokolo azy ireny mba ho Tanana mandroso i Madagasikara » raha ny filazan’i Charles, tompon’andraikitra eo anivon’ny fokontany.
Ilaina mihitsy ny hetsika tahak’izao, endrim-pampianarana ny vahoaka hanaja ny tananany sy ho tia fahadiovana. Tsara averina manomboka any amin’ny ambaratonga fototra ny rafi-pianarana « fanabeazana ho olom-pirenena vanona » ka dieny mbola amin’ny fahazazana ny olona iray dia efa mahatsapa ny tombabidin’ny fotodrafitrasa iombonana.
Azo atao tsara ihany koa ny manao fanentanana momba izany isam-pokontany mba ahaizan’ny Malagasy mikajy an’izy ireny. Amin’izay fotoana izay : ny asa vita, ny Tanana tsara endrika madio ary ny olom-pirenena miova toe-tsaina. Iza indray no andrasantsika hanaja ny fotodrafitrasan-tsika raha isika aza manimba sy mandoto an’izy ireny ?
Tsangy Randriamampianina
