Anjeva : Tratra i Rasta, mpivarotra zava-mahadomelina
Tovolahy iray antsoina hoe Rasta, avy ao amin’ny kaominina Anjeva gara no tratran’ny zandary avy amin’ny poste avancé ao an-toerana, ny faran’ny herinandro teo. Efa mpivarotra zava-mahadomelina hatramin’ny ela ity farany, raha ny voalaza, ka izao tratra izao.
« Efa an-taonany maro no nivarotra rongony ity tovolahy ity ka rehefa nahazo angom-baovao ny zandary dia naka fahazoan-dalana hisava trano, natao ny sarika am-pandriana ka vantany vao nahatsikaritra anay izy dia natsipiny haingana tao anaty lava-piringa ny rongony 600 grama » hoy ny avy amin’ny zandary avy ao an-toerana.
« Sambany ary tsy mbola nisy tranga tahaka izao teto an-tanàna. Hisaorana ny zandary amin’ny fandraisana andraikitra fa tanora maro no ho simba amin’ny zavatra tahaka izao ary tokony ho tohizana hatrany izany ezaka izany » hoy i Zo, mponina ao Anjeva.
Tsy vitan’ny mamotika ny olona mpandray azy ny rongony, fa mamotika ny fiainana amin’ny lafiny rehetra tokoa. Nanamafy ny avy ao amin’ny zandarimaria fa tsy misy ny raharaham-pihavanana amin’ny olona tratra tahaka izao fa tsy maintsy ho faizina hatramin’ny farany. Manentana ny fiaraha-miasza hatrany ihany koa izy ireo mba hampisy ny fandriam-pahalemana hatrany.
Manitra R.
