Sehatra lavanila : Efa tokony hilamina amin’izay
Taorian’ny hetsika izay natoan’ireo mpisehatra amin’ny lavanila tao Sambava ny mahakasika ny vidin’ity lavanila ity dia nidina tany an-toerana ny Filoham-pirenena hikaro-bahaolana. Nahitam-bokany araka izany ny fifampiresahana teo amin’ny roa tonta. Nalalahana araka izany ny fanondranana saingy tokony hanaraka ny kalitao takian’ny tsena izany.
“Homena fahazoan-dalana avokoa ireo mpandraharaha vonona hanondrana. Hisy ny kaomisionina apetraka anivon’ny minisiteran’ny Indostria sy ny Varotra, ny Fiadidiana ny Repoblika ary ny Fiadidiana ny faritra izay handinika ny fangatahana. Tsy maintsy mahazo valin-teny ao anatin’ny 48 ora amin’ny dingana tsy maintsy arahiny ny mpanao ny fangatahana, ary tsy maintsy mivoaka ao anatin’ny 48 ora aorian’izay ny fahazoan-dalana. Hamoraina ihany koa ireo dingana lalovana amin’ny fanondranana lavanila”, hoy ny Filoham-pirenena mahakasika ireo vahaolana naroso.
Na dia namoraina aza ny fepetra dia marihina fa tsy maintsy vokatra kalitao arak any takian’ny tsena hatrany no haondrana. Hojerena koa araka izany ny momba ny fangatahan’ny mpandraharaha ny hanalalahana ny lafiny laboratoara fitsirihana ny lavanilina.
“Mankasitraka ny Filoha tamin’ireo vahaolana kanefa etsy andaniny dia miendrika fampielezan-kevitra ankolaka ihany izao hataony izao. Ny hirariana moa dia ny hampahomby ny vahaolana fa miandry isika”, hoy ity mpahay toe-karena iray.
Marihina fa amin’izao fotoana izao dia mbola misy ambiny ny vokatra teo aloha noho ny teritery teo amin’ny fanondranana kanefa efa hiditra amin’ny taom-piotazana 2023 indray ireo tantsaha. Anisan’ny fangatahan’ireo mpisehatra tamin’ity resaka ity moa ny mahakasika ny vidiny sy ny lalana hahafahana mamoaka ireo vokatra rehetra ambiny. Etsy ankilan’izany dia tokony hitoetra ny kalitao tsara hahafahana mamoka aizany vokatra izany.
Miora Raharisolo
